Subscribe to the mailing list:
Our Choice for you
Recently Added ( ⁠⁠⁠Malagasy )
Books
( ⁠⁠⁠Malagasy )
2017-11-26
Ity dia boky kely izay manazava fa tsy maintsy arahina ny Sonnah-ny Mpaminany (SAW), ary izay mandà izany dia mpikomy.
Books
( ⁠⁠⁠Malagasy )
2017-11-26
Ity boky ity dia miresaka mikasika ireo fomba sy làlana izay mitondra amin’ny fifaliana sy ny fahasambarana ary ny filaminan’ny fo, ho an’izay nandray sy nampihatra izany tamin’ny fiainany; ka manala aminy ireo alahelo sy fahasahiranan-tsaina ary tebiteby izany.
Books
( ⁠⁠⁠Malagasy )
2017-09-14
Ity dia boky, izay mirakitra Hadith dimampolo, dia ireo Hadith roa amby efapolo nangonin’i Imamo An-nawawi (RA), izay nahatonga azy ity fantatra amin’ny anarana hoe "Al-arba’ouna An-nawawiyyah" (Ireo efapolon’i An-nawawi), miampy ireo Hadith valo izay nampian’i Ibn Rajab Al-hambali, ho famenon’izany dimampolo. Ireo Hadith ireo, araka ny nambaran’ireo manam-pahaizana, dia anisan’ireo Hadith fototra ato anatin’ny finoana Islamo, izay miresaka karazan-javatra samihafa, toy ny foto-pinoana sy ny fanompoana sy ny fitsipika fototra momba ny lalàna sy ny toetra sy ny fahaiza-miaina sns.
Books
( ⁠⁠⁠Malagasy )
2017-08-06
Ity dia boky bely manazava amintsika an-tsary ny fomba fanaovan’ny Mpaminany Swalat sy ny fomba fanaovana Wozo. Hoy indrindra ny mpanoratra azy ao amin’ny teny fampidirana hoe:"Indro teny fohy, manazava ny fomba fanaovan’ny Mpaminany (SAW) Swalat; atolotro ho an’ny mpino Islamo rehetra, lahy sy vavy, mba hahatonga an’izay rehetra mamaky azy ity hiezaka haka tahaka azy (SAW) amin’izany, araka ny teniny manao hoe:"Ataovinareo tahaka ny nahitanareo ahy nanao azy ny Swalat". Notaterin’i Al-bokhàri". Koa manentana antsika rehetra mba hamaky an’izany sy hanazava an’izany amin’olona.
Books
( ⁠⁠⁠Malagasy )
2017-06-09
Ity dia boky kely izay mirakitra Azkar sy Doah maro samihafa, nalaina avy tamin’ny boky masina Kor’any sy ny Sonnat. Notsongaina manokana ireo Azkar sy Doah izay tena fanao matetika ary ilain’ny mpino Islamo amin’ny fiainany andavanandro. Ka hitanao ao ireto manaraka ireto: Azkar sy Doah fanao andavanandro, ireo zavatra tenenina anatin’ny Swalat, ireo zavatra tenenina aorian’ny Swalat, Azkar fanao amin’ny maraina sy hariva, Azkar atao amin’ny zavatra samihafa, teny feno fahasoavana sy valisoa, Azkar fanao alohan’ny hatory, Doah avy amin’ny Kor’any sy Sonnat. Ary natao miaraka amin’ny dikany amin’ny teny malagasy izany, mba hampazava amin’ny mpamaky ny dikan’ireo Azkar sy Doah izay vakiany.
Books
( ⁠⁠⁠Malagasy )
2014-01-11
FAMARITANA NY ISLAM.
Books
( ⁠⁠⁠Malagasy )
2014-01-05
Andry iorenan’ny finoana
Go to the Top